Tononkalo Tanindrazana

Gasikara « afobe »

Kely sisa dia hifarana
izato fianarana
niaretana ny mafy
taona maro aty andafy.
Taona maromaro
izay nampifangaroharo
hafaliana sy tomany
niampy fizahan-tany.
Nanovozam-pahalalàna
heverina hampandroso ny tanàna.
Ka hikasa hiverina amin’izay
handeha hody any aminay.

Saingy, … toa misalasala indray.
Tena sadaikatra ankehitriny
sanatria ve ho azon-tsiny
na koa hoe ho voan’ny tody
satria tsy mazoto tampoka ny hody.
Fa nahoana hoy ianao manontany
Inona no anton’izany?

Raha mahita an-gazety
sy amin’ny internet
ireo zavatra tsy mety
any Madagasikara.
Dia aleo tsorina sy ambara
fa tena mahalasa saina
sady mampiferon’aina
ny mihaino ireo taraina
sy mahita sary marobe.
Moa va tsy efa « afobe »?

Vono olona sy dahalo
politikam-pahavalo
vaky fasana sy trano
tsy tantara na angano
fa dia izay no zava-misy
na zandary na polisy
toa mivadika ho milisy.
Ankoatra ny takalon’aina
sy ny any Atsimo karakaina
dia tanàna maro koa voasazy
tratran’ny delestazy.
Loza hatrany no mba re
Moa va tsy efa « afobe »?

Kolikoly avokoa
heno etsy sy eroa
isaky ny minisitera
resabe hoe misy afera
hatramin’ny antenimiera.
Fa vao mainka fahagagana
tsy misy intsony fitsarana
fa ny vahoaka no Mpitsara
ireo miseho misary adala,
ka avy hatrany dia mamono
sy mandoro manatono.
Ka mahatonga ahy hilaza hoe:
Moa va tsy efa « afobe »?

Ka raha hody aho androany
Inona no hanjo ahy any?
Moa ve aho hahita asa?
Hahavita hanangana Orinasa?
Moa hisy zavatra atao?
Sao hipetra-potsiny ao?
Moa ve aho mbola ho tamàna
nefa hono ilay tanàna
tena lasa ratsy be
Moa va tsy efa « afobe »?

Indrisy, …

Ratsy Laza ianao ry fireneko
vokatry ny aterineto
satria dia zava-doza hatrany
no aparitaka eran-tany.
Izao ny ankizy tsy mety mody
Fa toy ny azom-panafody.
Hijanona any elabe
Fa tsy hody any amin’ny « afobe »

Publicités

2 réflexions au sujet de “Gasikara « afobe »”

Laisser un commentaire

Entrez vos coordonnées ci-dessous ou cliquez sur une icône pour vous connecter:

Logo WordPress.com

Vous commentez à l'aide de votre compte WordPress.com. Déconnexion /  Changer )

Photo Google+

Vous commentez à l'aide de votre compte Google+. Déconnexion /  Changer )

Image Twitter

Vous commentez à l'aide de votre compte Twitter. Déconnexion /  Changer )

Photo Facebook

Vous commentez à l'aide de votre compte Facebook. Déconnexion /  Changer )

Connexion à %s